Seho roa samy hafa: hiray sehatra amin’i Njila sy i Rija Ramanantoanina i Poopy

Ny tao anatin’ny 40 taona? « Hotantaraiko anao, izaho sy i Njila », hoy ny lohahevitry ny seho voalohany. “Izaho sy i Rija” kosa ny seho faharoa, samy fampisehoan’i Poopy avokoa ireo.

«Hotantaraiko anareo ny niantombohako nihira niaraka tamin’ny tarika Njila», hoy i Poopy. Izay no hanokafany ny seho “Izaho sy i Njila”, izay hotontosaina ny alarobia 1 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Fampi­se­hoana ho feno fihetseham-po tanteraka, satria tsy azo fafana amin’ny tantaran’i Poopy sy ny mozikany ny niantombohany. “Rivotra”, “Raha hiverina”, “Ilazao ny famonjena”, sns, hira nahenoana sy nahitana an’i Poopy voalohany, amin’ny maha vehivavy mpihira tao amin’ny tarika Njila azy.
Ho fampiainana hatrany izay niandohana izay, vao avy namoaka rakitsary vaovaony, “Raha hiverina”, i Poopy sy i Njila. Heno sy tazana manampy azy ireo i Mahery, izay vahiny nasaina manokana amin’ity seho voalohany ity. Tohin’ilay seho tao Antsahamanitra, ta­min’ny andiam-pampisehoana nanokafana ny faha-40 taona an-tsehatr’i Poopy ihany io.
Taorian’ny tarika Njila, nanoritra ny lalany irery i Poopy… “Hotantaraiko anareo koa ireo hira nanombohako izaho irery”, hoy hatrany ny nambarany. Mandritra ny tapany faharoa io, izany hoe, haka endrika tamberina ny seho.
Hotontosaina ny alahady 5 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ary ao amin’ny CCEsca hatrany , ny seho faharoa. “Izaho sy i Rija” kosa indray ny lohatenin’ity fiarahana an-tsehatra faharoa ity. Hanjaka mandritra ny tapany voalohany izay fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto izay. Efa tontosa ihany koa ny rakitsarin’ny “Ho iray”, hiran’i Poopy izay niarahany namerina tamin’i Rija Ramanantoanina. Mbola ho avy hanampy azy ireo an-tsehatra ihany koa i Bodo, ho fampifaliana ireo mpankafy. Tsy vitan’izay fa hatokan’i Poopy hanaovany ireo hirany be mpangataka indrindra ny tapany faharoa amin’ny fampisehoana, na hira taloha izany na ireo ao anatin’ny rakikira “Endrika fitiavana”, izay nivoaka farany.

Zo ny Aina

Partager sur: