TARATRY ny KANTO

Le By Pass after Work – Melky. Haka endrika “Cabaret dancing” ny fiarahana anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ity toeram-pialamboly ity. Ny tarika Melky no handahatra ireo hirany, hampian’i Nanja, nasaina manokana. Mazava loatra fa ireo hira mampandihy, nitety vanim-potoana no halahatra mandritra izany. Hanafana mialoha ny sehatra, manomboka amin’ny 12 ora atoandro ry Fagniry & Friends.

Cemess Soanierana – “Alin’ny Sareba”. Araka ny anaran’ny hetsika, natao hanandratana ny hira sy mozika ary ny kolontsaina betsileo izy ity. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Cemess Soanierana. Hifandimby hanafana ny sehatra amin’izany ry Kenny, Raprôsy, Da7 ary ZMG. Hanen­tana ny fotoana kosa ny Coach Lyta.

La Teinturerie – Zaöto. Elaela tsy niaka-tsehatra ity mpanakanto mpiangaly ny amponga maroanaka ity sy ny tariny. Manome fotoana eny Ampasanimalo indray izy ireo, anio amin’ny 8 ora alina. Hotohizana eny amin’ny Le Garage Antsahavola izany, amin’ny 10 ora alina. Hiaraka amin’i Zaöto i Tsila eo amin’ny gitara, Mamy Haja eo amin’ny gitara beso ary i Finoana eo amin’ny amponga.

Mitohy ny lalan’ny Mage 4. Fantatra fa namoaka hira vaovao “Miandry anao” ny tarika. Efa azo henoina sy jifaina ao anatin’ny “Moozik” izany, tamin’ity herinandro ity. Efa ilay mpihira vaovao no heno miangaly ny hira vaovao, saingy tsy mbola nampahafantarina ny besinimaro, hatreto, ny mombamomba azy. Samy nilaza kosa izay efa naheno fa tsy niala an’ilay fanahy Mage 4 ny vokatra.

Partager sur: