Fampirantiana : vahiny manokan’ny « Salon de l’AAA » i Jean A. Ravelona

« Amicale des amateurs d’art », na « AAA », ivondronan’ny mpanakanto, mpampianatra zavakanto… Manatanteraka hetsika lehibe isan-taona izy ireo. Misy hatrany ny vahiny manokana asainy amin’izany. Amin’ity taona ity, i Jean Andrianaivo Ravelona…

Hanomboka ny 22 mey ka hatramin’ny 28 mey izao, ao amin’ny «Salles Royales de la Made­leine», Paris 8e arrondissement. Hanatanteraka fampirantiana « Salon de l’AAA » andiany faha-48 ny « Amicale des amateurs d’art ». Nasaina manokana Andrianaivora­velona Jean na i Jean Andria­naivo Ravelona. Misy ireo fepetra arahina vao tafiditra ho vahiny nasaina manokana. Tsy maintsy mpanakanto nahazo na nandrombaka loka maro tamina hetsika samihafa. Efa vahiny manokana tamina fihaonana na hetsika ko­lontsaina maro. Mpana­kanto fantatra sy manana ny mampiavaka azy eo amin’ny kalitaon’ny kanto ataony. Mahazo toerana manokana ny vahiny nasaina manokana. 10 ka hatramin’ny 20 ny isan’ny sanganasa harantiny amin’izany.
Tanjon’ny « AAA » ny hamondrona ireo mpanakanto teratany frantsay sy vahiny, (Mpanao hosodoko, mpakasaripika, mpandravaka sy mpanaingo, mpanao sokitra…).
Andrarezin’ny hosodoko eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena
Jean A. Ravelona na Andrianaivoravelona Jean, mpanao hosodoko, sy hairaha araka endrika amam-bika, sady mivelona amin’ireo rahateo. Akademisianina, mpanakanto mahasahana izao tontolo izao, satria, saika efa nahitana azy sy ny sanganasany avokoa izao tontolo izao. Nanomboka tany amin’ny taona 1975 ka hatramin’izao : USA, Italie, Belzika, Souisse, Alemainina, Espagne, Indo­nésie, La Réunion, Maorisy, Kenya, Martinique, Mada­gasikara…
Miisa 25 ny loka lehibe sy ny mari-boninahitra azony : 1er Prix Manet, Salon ARGA, Gagny (dép 93), 2018 – Prix du Public, Biennale d’Arts sur Scène, Asnières-sur-Seine (92), 2017 – Exposition ‘’AY Fanahy’’, Unesco, Paris (75), 2014 . Prix du Public, Arts 19, Paris 19e, 2013 . Prix du Public, Salon de Printemps, Paris 5e, 2013 . Médaille de la Ville aux-dames, Xe Salon artistique de la Ville, 2012… Nahatratra 14 ireo sehatra iraisam-pirenena lehibe nanasa azy (vahiny manokana).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: