Ho fisorahana ny aretina: tena ilaina ny vaksiny!

Tafakatra 1 000 000 ny zaza tsy nanao vaksiny nanomboka ny taona 2019. Mbola afaka manao izany avokoa anefa izay tsy nahavita na ireo mihoatra ny dimy taona aza.

Tonga maro nanohina ny antson’ny fanjakana, hampanao vaksiny ny zaza ny vahoaka, omaly teny Antanime­nabe-Ankorondrano. Nitarika ny fotoana ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, reny mpiahy ny fa­naovam-baksiny ny vehivavy sy ny ankizy, Rajoelina Mialy. Fantatra nandritra ny hetsika fa tafakatra iray tapitrisa ny zaza malagasy tsy mbola nanao vaksiny mihitsy nanomboka ny taona 2019. Tsy nampazoto ny ray aman-dreny ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19. Naho­raka sy maro ny tsaho niely manodidina ny vaksiny.
Vokatr’izany, misy ny ezaka ho fanatrarana ireo zaza latsaky ny 5 taona efa nanao vaksiny ka tsy nahavita hatramin’ny farany. Hojerena koa ireo mbola tsy nanao mihitsy. Hanatanterahina izany ity herinandro ity. « Tafiditra amin’ny Herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny rahateo izany », araka ny nambaran’ny lehi­ben’ny delegasion’ny hetsika maneran-tany ho fanafoanana ny poliomelita sady talem-paritry ny OMS aty Afrika, dokotera Matshidiso Moeti, omaly, teny Antanimenabe-Ankorondrano.
« Manana drafitra hanatrarana ny fahatarana isika ka ezahina ho vita vaksiny mialoha ny faran’ny taona ireo zaza 1 tapitrisa », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, tamin’ny lahateny nataony.

Antso avo
Mbola nanamafy ny antso ho an’ny ray aman-dreny ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, hitondra ny zanany hatao vaksiny hiarovana amin’ny aretina sy ny fahafatesana azo sorohana. Manentana ny sekoly sy ny fiangonana ary ny fikambanana samihafa ny tenany handrisika ny isan-tokantrano hampanao vaksiny ny ankizy mialoha ny fahaherintaonany. Maimaimpoana rahateo ny vaksiny rehetra ho an’ny ankizy vao teraka hatramin’ny 18 volana ary miaro amin’ny aretina 11 izany.
Ny taona 2023, nahatratra 18 tapitrisa mahery ireo nisitraka vaksiny tamin’ireo hetsika fanaovam-baksiny maromaro natao. Manoloana izany, notoloran’ity tomponandraikitra ambony ao amin’ny OMS ity fankasitrahana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika noho ny fahaiza-mitarika nasehony ho fanentanana ny ray aman-dreny hitondra ny zanany hatao vaksiny.

Vonjy

Partager sur: