INDRAY MIJERY

Hetsika fanaovam-baksiny fito no hotan­terahina amin’ity taona ity. “Efatra fanaovam-
baksiny faobe ho fanatrarana ireo tsy mbola nahavita ny vaksiny mahazatra. Roa hiarovana amin’ny
aretina lefakozatra ary ny iray miaro amin’ny
kitrotro”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-baho
aka. Mihoatra ny 90% ny taha fahavitana ny vaksiny hisorohana ny valanaretina samihafa eto Madaga­sikara.
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpisolo toerana ny solontenan’ny Vondron’ireo profesora eny amin’ny Anjerimanontolo, tamin’ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny famaritana ny fomba fiasa sy ny endriky
ny fiaraha-miasa ny fifanakalozana ho fanatsarana ny fampianarana. Nojerena koa ireo filana eny
amin’ireo oniversite sy ny zava-misy iainan’ireo mpisehatra amin’ny fampianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Partager sur: