Lalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe: Hampihena betsaka ny kolikoly eto Madagasikara

Hanaovana adisisika amin’ny sehatra maro ny volavolan-dalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe (LAICP). Hitondra ainga vao amin’ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena ny fahalanian’izany lalàna izany.

“Fepetra ahafahana miady amin’ny ampahany betsaka amin’ny kolikoly ny fahalanian’ny lalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe (LAICP)”, hoy i Reyna Rabeaza, mpahay raha eo amin’ny tontolo haino vaky jery.
Mifandray betsaka amin’ny andry fahatelon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana dia ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ny fahalanian’izany lalàna izany.
Rehefa ampy ny fahalalana ho an’ny olom-pirenena mahakasika ireo torohay rehetra dia tsy hisy intsony ny fanelanelanana mitarika amin’ny kolikoly sy ny fahalovana.
Manan-jo hisitraka ny torohay ny olom-pirenena. Voalaza ao anatin’ny volavolan-dalàna ireo karazana antontan-kevitra tokony ho azon’ny olom-pirenena fantarina ka azon’ny sampandraharaham-panjakana.
Raha mandeha any amin’ny fitsarana na hanao taratasim-panjakana dia tokony hahafantatra ny pitsompitsony rehetra ilaina, toy ny vola aloa, ny taratasy rehetra ilaina, ny dingana tokony hatao… ireo olom-pirenena.
Atao amin’ny petadrindrina na amin’ny tambajotra sosialy, na amin’ny fomba tsotra sy mora raisina ireny. Manana sampandraharaha misy ny antontan-kevitra sy mikirakira izany ny minisitera sy ny sampandraharaha rehetra ka tokony hampahafantarina izay tsara ho fantatra. Efa misy ny ezaka, amin’ny alalan’ny ivotoro, i-toroka…manamora ny fampahafantarana ireo antontan-taratasy sy mampihena ny fivezivezena.
Volavolan-dalàna mifehy ny fidirana amin’ny torohay ny LAICP. Mifehy ny torohevitra sy ny antontan-kevitra ary ny angom-baovao.
Novolavolaina tamin’ny taona 2006 ny volavolan-dalàna, niarahana tamin’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI). Hahafaha­na mamaly ny zo fototra hahafahana mahazo sy mahita ireo angom-baovao sy antontan-kevitra eny amin’ny fitondram-panjakana ny.
Efa nodinihin’ny filankevitry ny governemanta tamin’ny taona 2009 izany volavolan-dalàna izany. Nisy ny fanavaozana sy ny adisisika nahafahana nampahafantatra saingy sarotsarotra ny fandresen-dahatra. Efa nisy ny fanofanana ireo mpikirakira ny antontan-kevitra sy varavarana misokatra ho fampahafantarana ny andinindininy voarakitra ao. Nisy koa ny fananganana ny Fikam­banan’ny matihanina mpitantana tranomboky sy ivontoeran’ny torohay. Nifanolo-tanana tamin’ny fampiofanana ireo matihanina mpitantana ny torohay eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: