Noho ny fahanteran’ny fitaovana: mijaly rano tanteraka ny 4% ny tanàna eto Antananarivo

Nanazava ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny lehibe miandraikitra ny famatsiana rano ao amin’ny Jirama, Ramiara­manana Hilarion. Faritra mena amin’ny tsy fahampian-drano ny 4%ny tanàna eto Antana­narivo, tsy mahazo rano mihitsy na andro na alina. Tsy fahampian-drano maherin’ny 60 000m3 isan’andro no iainana eto Antananarivo. Fahanteran’ ny fitaovana na amin’ny famokarana na amin’ny fitsinjarana rano no tena antony.
Vahaolana vonjimaika ny fampifandimbiasana ny fitsinjarana ny rano amin’ireo tanàna miisa 9 miainga eo Mandro­seza. Teo koa ny fitsinjarana rano amin’ny kamiao lehibe….
Vahaolana maharitra kosa ny fanorenana toby famokarana sy siniben-drano vaovao amin’ny toerana 5 manodidina an’Antananarivo dia ny eny Ivato, Itaosy, Andoharanofotsy, Ambohipo Ankatso ary Alaso­ra. Efa tonga ny ampahany amin’ireo fitaovana hanatanterahana ny asa.
Ankoatra ireo ny fanatanterahana ny tetikasa “Jirama Water III”, fametrahana toby famokaran-drano vaovao 50 000m3 izay hamatsy ny faritra Atsinanana, Avaratra ary Atsi­mon’Antananarivo. Hoha­tsa­raina i Mandroseza ary ha­ma­fisina ny fitsinjarana amin’ny faritra Avaratra, Alasora ary Ambohimanambola.
Hotanterahina ny tetikasa “PAAEP” eto Antananarivo sy amin’ny renivohi-paritany enina hafa. Fametrahana toby famokaran-drano vaovao mamatsy ny faritra Avaratr’Antananarivo sy ny Andrefana. Hohampitom­boina avo roaheny ny famokarana eny Ankadivoribe, Fara­laza, Vontovorona.

Tatiana A

Partager sur: