TARATRY ny KANTO

Farakely, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Elaela indray tsy nihaona tamin’ireo mpankafy azy ity mpanakanto ity. Avy hatrany dia fampisehoana feno no hatolony rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fotoana hitondrany an-tsehatra ireo hira vaovao, toy ny “Mody namana” sy hamerenana ihany koa ireo nankafizin’ny rehetra.
Mitohy ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny tarika Iraimbilanja. Manome fotoana ny mpankafy ny rock indray ireto andrarezina ireto rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, etsy Antsahamanitra. Hamerina ny fahatsiarovana nandritra ny 20 taona, izay no tena tanjona. Anisan’ireo ho vahinin-dry zalahy ny tanora mpanao rock toa an’i Erica.
Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’
ny Ivokolo Analakely, ny seho teatra “Mose lemera”, iarahana amin’ny Tropy Ilo. Tantara mahatsikaiky izy ity ary natao ho an’ny rehetra, nosoratan-dRatsimbason Pierre Emile ary narindran-dRavaloson Haja, an-tsehatra izy ity.
Tontosaina anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Magic Dream Festival”. Hetsika anisan’ny sangany ho an’ny tontolon’ny Mazia eto Madagasikara. Velakevitra sy fifaninana ary fampisehoana no handravaka ny fandaharam-potoana. Efa miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika amin’ity taona ity ary mampanantena hetsika miavaka ny mpikarakara.

Partager sur: