Tetikasa Kanto Manabe : « Tsy ampy ny manana talenta… »

Mitohy hatramin’ny 4 mey 2024, eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ny fampiratiana “Ny fiainan’ny Malagasy: ny lasa, ny ankehitriny, ny ho avy”, tontosain’ny mpianatra eny anivon’ny liseam-panjakana, mivondrona ao amin’ny Tetikasa Kanto Manabe. Sary nataon’ireto tanora mpianatra ireto no mandravaka ity fampiratiana ity. Raha tsiahivina, tanjon’ny hetsika ny hanome sehatra ny talentan’ireo tanora mpianatra ireo. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fanaovana sary amin’ny endriny rehetra.
Mahavelombolo ny mahita ny talenta sy fahaiza-manaon’ireo mpianatra mandray anjara ao anatin’ity tetikasa ity. “Azo itarafana ny hoavin’ny haikanto Malagasy, indrindra ny tontolon’ny fanaovana sary izao ranty izao ”, hoy i Clark Rajaona, mpanao sary matihanina. Tsy ampy anefa ny talenta fa ilaina ny mianatra ny fototra sy miditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna sy matihanina, araka ny nambaran’ity mpanao sary ity hatrany. Anisan’ny mety ho sakana tsy ahafahana mivelatra, indrindra amin’ireo any ivelany ny tsy fananana izany fototra izany sy tsy fanarahan-dalàna ary ny tsy maha matihanina.

Lin

Partager sur: