Tsy hananam-piry ny aina

 

Olam-piarahamonina iray, mampikaikaika ny maro ny mahakasika ny fahasalamana. Tsy zakan’ny tsena, ara-bakiteny, ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Aza marary ihany! Fa rehefa tsy manam-bola dia ny aina no manefa. Tsy misy fitsetserana sy fihantrana izany raha mbola toeram-pitsaboana. Na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana dia vola ihany vao miteny.
Anisan’ny « afera » iray mahasarika ny mpanam-bola ankehitriny ny fandraharahana momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy mahagaga, misy ny misandoka andraikitra any anelakela-trano rehetra any. Toraka izany ny manam-pahaizana hosoka amin’ny fivarotam-panafody any ambanivolo. Tsy misy miraharaha ny hafa fa jamban’ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-tena.
Araraotina anefa ny fotoana, izay handraisan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka andraikitra. Nanomboka omaly ny fanentanana ny olona hiverina hanao vaksiny. « Aleo misoroka toy izay mitsabo » hoy ny oha-pitenena malagasy. Marina tokoa ny voalaza satria firifiry ny aretina voasoroka raha mahavita ara-potoana izany ny zaza. Misy ny aretina tsy tokony hahazo saingy noho ny antony maro samihafa dia manody ny tandrevaka sy ny tahotra.
Vanim-potoana izao hanentanana ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny isan-tsokajiny, hanentana sy hamerina ny fitokisan’ny olona ny vaksiny. Tsy misy ohatra ny mailo sy malina hatrany, ary mitandrina amin’ny fiainana. Tompon’antoka amin’ny fahavoazan’ny zaza sy ny ankohonana, amin’ny ankapobeny, ny olon-dehibe. Tsy afa-miala amin’ny fahavoazana sy ny vesatra mihoapampana noho ny aretina sy fitsaboana izy ireo. Sanatrian’ny vava honohono sy fanelezana tsaho no itambesaran-trosa sy hamoizana aina.
Tsy hananam-piry ny aina, ny mahery tsy maody tsy ela velona ka asakasak’izay mbola hinohino fahatany sy ho sodokan’ny honohono.

r.r

Partager sur: