UP-Fankatia : hizara fijery hafa momba ny fitiavana

Olam-piarahamonina iray goavana amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny fiainam-pitiavana. Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana eny amin’ny fitsarana. Maro ny tsy mahatsangana tokantrano. Betsaka ny tanora diso lalana. Maro ny antony mahatonga izany. Manoloana izay indrindra dia mihamaro ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana mivoy ny fitadiavam-bady sy fanamorana ny fihaonan’olon-droa. Maro ny tranokalam-pifandraisana sy ny tambajotran-tserasera, ny onjam-peo, ary ny fahitalavitra misehatra maimaimpoana na handoavam-bola amin’izany.
Anisan’ny hitondra ny fomba fijeriny vaovao mahakasika ny resa-pitiavana ny fandaharana UP-Fankatia, vokarin’ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra. Hiara-hamokatra aminy ny orinasa Starti­mes. ” Ahompana amin’ny fijerana hatrany ny mpiara-belona ny vokatra atolotray. Tanjo­na ny hampihaona mpifankatia. Mba hanana fomba fiainana hafa amin’ny atao hoe fitiavana izy ireo. Hiaina izany araka ny iriany fony.”, hoy ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra tamin’ny mpanao gazety, omaly.
Manolotra fomba fiasa vaovao, misaraka amin’ny modely mahazatra amin’ny fihaonana ara-pitiavana ny fandaharana UP-Fankatia. Manaitra sy mampiala voly miaraka amin’ny seho maro tsy ampoizina. Lehilahy mpitovo 2 sy vehivavy mpitovo 12 no mpandray anjara. Hana­mora ny fampivoarana ny firaisankina ara-pihetseham-po sy ny fandraisan’anjaran’ny mpijery ihany koa ny fandaharana. Afaka mahatsapa akaiky ny zavatra niainan’ireo mpandray anjara izy ireo.

Lin

Partager sur: