« World Cola Urban Vibes »: tarika sivy, DJ efatra no hampiaina ny seho

Fahombiazana ny andiany voalohany, tamin’ny 2 taona lasa. Feno fanantenana tanteraka ireo mpikarakara ny “World Cola Urban Vibes”, izay hotontosaina ny alahady 5 mey ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahama­sina. “Izay mpanakanto mpivoy ny mozika an-tanàn-dehibe malaza amin’izao ireo halahatra an-tsehatra amin’ity”, hoy ny nambaran’i Henin­tsoa, avy ao amin’ny 10-09, mpikarakara ny hetsika. Nisy ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety ity seho goavana ity, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo.
“Araka ny anarany, ireo tarika manana hira malaza no nosafidiana. Manana eo amin’ny 30 hatramin’ny 45 minitra eo avy izy ireo. Tsy misy manao hira vaovao fa ireo ankafizin’ny maro ihany”, hoy kosa i Dj Gouty, iray amin’ireo mpikosoka kapila hanafanana ny fotoana, sady misahana ny lafiny artistikan’ny seho ihany koa.
Mpanakanto 9 efa samy kalaza, ahitan an-dry Mr Say­da, Gaei, Ceasar, Madmax, Basta Lion, Agrad, Rim-Ka, ary i Skaiz no hifandimby an-tsehatra mandritra izany. Mpikosoka kapila manana ny lazany 4 kosa no hampiditra ny hafanana, ahitana an’i Yoann Loic, Dj Chronix, Dj Stich ary i Dj Gouty. “Tsy mbola tafaraka tanaty seho iray ireo tarika rehetra ireo, ka samy manomana izay mampiavaka ny anjarany. Hisy soradihy handravaka ny hiran’ny tsirairay koa”, hoy hatrany ity farany.
“Tamin’ny voalohany, Urban Vibes by World Cola, ity faharoa kosa, World Cola Urban Vibes. Midika izany fa mitovy fijery na ilay fivoizana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, na ilay fanehoana ny hatanorana. Feno roa taona rahateo izao ny World Cola, ka antony iarahanay amin’ny hetsika avokoa ireo”, hoy kosa Ramanankoraisina Setra, tomponandraikitra ao amin’ny Star.

Zo Ny Aina

Partager sur: