Fifidianana… tsy ifamitahana

 

Amin’izao fifidianana izao, tsy misy hadino ny vahoaka eny anivon’ny distrika; eny, na ny eny amin’ny kaominina aza, angamba. Ataon’ny mpirotsa-kofidina izay fomba rehetra hahazoana ny fo sy ny vaton’ ny olom-pirenena: fampanantenana hanao an’itsy na iroa, na tsy asan’ny depiote aza, ohatra, ny manao fotodrafitrasa. Tsy firy no manazava fa handresy lahatra ny mpanatanteraka amin’ny fanamboaran-dalana, sekoly, hopitaly… Saika mandeha ho azy hatrany ny fampanantenana toy izany? Na toa hafahafa raha tsy manao izany, tsy misy mpihaino na mpifidy…
Manampy trotraka izany ny fizarana fanampiana sy fanomezana. Fitaka bevava? Toy ny hoe tena mahatsiaro sy mitsinjo vahoaka iny, nefa tsy misy afa-tsy izay hahazoana ny vatony amin’ny fifidianana no ao ambadika. Tsy fampielezan-kevitra no atao fa fampielezam-bola, fanomezana, fampisehoana… Tsy matoky tena raha tena fampielezan-kevitra no atao? Inona, ohatra, ny tolo-dalàna haroso raha voafidy eo? Na izay asa handresen-dahatra ny mpanatanteraka fa tokony hataony, hanaraha-maso azy, hanitsiana ny volavolana tetibolam-panjakana ho amin’ny tombontsoam-bahoaka…
Ho be ny ho voafitaka? Na ny vahoaka na ny kandidà… Mifamitaka? Mandokadoka ny kandidà ny mpifidy mahazo fanomezana. Mety hitsaran’ny kandidà hifidy azy izany? Nefa ny voka-pifidianana ihany no tena… Aoka re e! Ny fahadisoam-panantenana amin’izany no anisan’ny mahatonga ny fifidianana tsy eken’ny rehetra? Eo ny mamita-tena amin’izay lazainy sy ataony. Ny vahoaka koa tsy tokony ho adala na manaiky hohadalaina. Izay hisolo tena ny tena no mamitaka? Avy eo, tsy fantatra izay hataony… Tsy mbola misy inona aza dia efa mamitaka, manao zinona amin’izay ho tambin’ny safidy… Ny ataon’ny tena ihany no mahamarim-pototra ny fifidianana?

R. Nd.

Partager sur: