Nangina ilay feo manga… : nodimandry vokatry ny aretina i Lalie

48 taona i Lalie izao nodimandry izao. Tontosa ilay fandidiana natao taminy, saingy mbola nihombo ny aretiny ka nitarika ny fahafatesany. Nangina hatreo ilay feo tsy manam-paharoa…

Niady mafy izy… Tsy na­hatohitra ny aretina anefa, ka nodimandry omaly maraina, Andriama­zava Hanitriniala Louise, fantatry ny maro amin’ny hoe Lalie. Nan­gina ilay feo miavaka, ilay feo manga nampiavaka hira maro. Efa fotoana elaela no tojo tsy fahasalamana ity mpanakanto ity. Mbola nanao antso avo ho an’ny tolo-tanana amin’ny fitsaboana azy i Nini Rabary, vadiny, ny sabotsy lasa teo. Nandri­tra izany no nitondrany fanazavana feno mahakasika ny toe-pahasalaman’i Lalie, tamin’io andro iray nialohan’ny nahalasanany io.
« Niarahantsika nahalala fa nisy ilay kyste ovarien, nodidiana tao amin’ny kibony. Vita soa aman-tsara izany, ka nalefa notiliana ilay izy. Fan­tatra tamin’io anefa fa misy homamiadana tao, ka mila fanohizana ny fitsaboana. Ankoatra izay, niha nihombo ny aretiny izao ary tsy afa-miresaka izy io, no sempotsempotra. Misy « œdème pulmonaire » ihany koa izy taorian’ireny covid ireny, ka mbola sarotsarotra ny fitsaboana », hoy i Nini, vadiny, nandritra izany.
Indrisy anefa, lavon’ny aretiny ihany i Lalie, na teo aza ny ezaka natao tamin’ny fitsaboana. « Nitsahatra ta­min’ny fangirifiriany, ka handry am-piadanana anie izy », hoy ny ankamaroan’ireo naneho alahelo sy fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ity mpanakanto ity.
Raha tsiahivina, nisongadina tany amin’ny faramparan’ny taona 90 tany i Lalie. Ilay hira « Miaraka aminao», niarahany tamin’i Do Rajhonson no tena nahafantarana azy voalohany. Nahavita rakikira azy manokana, « Mozika tiako », izay nampiakatra azy teo amin’ny laza i Lalie taorian’izay. Tany amin’ny fampiarahana talenta tamin’ireo namany anefa no tena nampisongadina azy koa, ka anisan’ireny ny « Raha tsy ho ahy », niarahany tamin’i Rija Ramanantoanina, sy ny « Feo roa », nataon’i Lalie sy Nanie. Noho iny feony tsy manam-paharoa iny ihany, maro ireo mpanao dokambarotra no ni­antso azy. Tsy tazana an-tsehatra fotoana elaela i Lalie, kanefa nanapa-kevitra ny hiverina an-tsehatra kosa ny taona 2023. Nahafaly ny mpankafy izany, ary nahavita seho maromaro izy, nialohan’ny nampihombo ny aretiny.

Zo ny Aina

Partager sur: