Seho feno: nizara ny kantony i Farakely

« Farakely manontolo ». Izay angamba raha fehezina ny fampisehoana izay natolotr’ity mpanakanto ity, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Fiarahan’ny tia sy ny manina, nanjakan’ny mozika misy fanahy no nitranga. Raha ny faha­tsapana ny karazana fihetseham-po naterak’ireo hira nalahatra, fotoana efa nandrasan’ireo tena mpankafy iny. Na tsy feno tanteraka aza ny efitrano, ireo tena mpankafy kosa no namaly ny antso. Naverin’i Farakely avokoa ireo hirany rehetra izay noheverina fa nandrasan’ireo mpijery. Niaraha-niredona rahateo izany, indrindra ireo hira tena fantatra.
Fampisehoana feno, satria tsy nisy latsaka ny teny an-tsehatra. Teo avokoa ireo mpitendry nampiaina ny mozikan’i Farakely. Tonga ihany koa ireo mpanakanto nampiara-peo taminy, nanaingo izany. Azo tsapain-tanana ny fanomanana ela, sy ny maha matihanina ny rehetra teny an-tsehatra. Nanakaiky tamin’ireo hira fihaino ny hira nalahatra, noho izay fanomanana raitra izay. Ireo tsy mbola afapo, afaka nanjifa ihany koa ireo rakikiran’i Farakely, natambany anaty « clé usb », ho famaliana hatrany ny fangatahan’ny mpankafy hatramin’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: