TARATRY ny KANTO

« Bal des seniors » – Pitou Behoririka. Ha­merina kely ny taloha, toy ny tamin’ny andron’ny Salut les copains  no tanjona amin’ny hetsika izay ho­tontosaina ny alarobia 1 mey izao, manomboka amin’ ny 12 ora atoandro. Hanafana ny fotoana ao amin’ity toerana ity ry Jimmy & Co, ka haka endrika fandihizana amin’ny atoandro toy ny taloha izany.
« Aiza ho aiza ilay satan’ny mpanakanto ? ». Isaky ny misy mpanakanto tojo fahasahiranana, indrindra ny tsy fahasalamana sy sanatriavina mitarika fahafatesana toy izao nahalasana an’i Lalie izao, miverina foana izay fa­nontaniana izay. Efa nizotra amin’ny lalany, saingy ny tsa­pa dia ireo mpanakanto tena voakasika akaiky koa ane­fa no tsy rototra mihitsy. Fotoana izao hijerena akaiky izany.
Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny « Magic Dream, Festival de Magie », niarahana tamin’ny « Magic Squad Mada­gas­car ». Vela­kevitra, atrikasa, fifaninanana ary fampisehoana no nandravahan’ny tomponandraikitra izany hetsika izany. Tsi­karitra fa ireo tanora no tena liana amin’ity tontolon’ny “Magie” ity, raha ny hita teny an-toerana.
Notanterahina teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny seho teatra “Mose Lemera”, niarahana tamin’ny Tropy Ilo. Anisan’ny fahombiazana no azon’ny Tropy niantsehatra sy ny mpikarakara. Piesy teatraly mahatsikaiky izy ity, nosoratan-dRatsimba­son Pierre Emile ary narindran-dRavaloson Haja an-tsehatra.

Partager sur: