Tarika Iraimbilanja : nangingina ny fampisehoana teny Antsahamanitra

Notanterahina omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Ndao hiverenana!», niarahana tamin’ny tarika Iraimbilanja. Anisan’ny santatra ho an’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny tarika ity hetsika natao ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Niezaka nampiseho ny naha izy azy sy ny nahafantarana azy hatramin’izay izy ireo nandritra ny seho, na dia somary vitsy aza ny olona na­natrika.
« Ndao hiverenana!». Io ny lohahevitra nandritra io fotoana io. Niverenana niainana sy nohiraina avokoa ireo kanto sy hira nahafantarana ny tarika, tao anatin’izay 40 taona nisiany izay. Anisan’iza­ny ny “Alitara”, “Fararano”, “Iza moa”, “Lazao”, …. Samy nohirain’ny tarika, nentina na­nomezana fahafaham-po ireo mpankafy tonga, na ireo hira milamindamina na ireo mihetsiketsika. Ankoatra ireo hira taloha, nataon’ny tarika ireo hiran’izy ireo vaovao. Mbola mitohy ny kanto sy ny mozika, araka ny nambaran’ny solontenan’ny tarika. Mbola ao anatin’ny famoronan-kira sy vina ny amin’ny famoahana ny rakikira vaovao ny tarika. Eo ihany koa ny hetsika lehibe, ny amin’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny tarika.

Lin

Partager sur: