Andro maneran-tany ho an’ny dihy: hitohy amin’ny faran’ny herinandro ny fankalazana

Mila hasongadina ny tontolon’ny dihy. Niraisan’ireo mpandihy sy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina io. Tsy omaly ihany fa hitohy amin’ny faran’ny herinandro izao ny hetsika marolafy momba ny dihy.

29 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Manamarika izany isan-taona ireo mpandihy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny hetsika marolafy. Tsy najanona ho andro iray ihany fa novelarina mandritra ny andro maromaro ny fankalazana tamin’ity. Nanokatra azy, omaly, kosa ny fihaonan’ireo mpandihy, ny tomponandraikitry ny minisitera misahana ny Kolontsaina ary ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.
Nivoaka tamin’izany fa satria alatsinainy ny oma­ly, hotohizana ny sabotsy 4 sy alahady 5 mey izao ny fankalazana. Hatao eny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefi­loha ny hetsika, ny marain’ny sabotsy, amin’ny 10 ora hatramin’ny 12 ora sy sasany. Tarika mpandihy maro no hifandimby haneho ny talentany mandritra izany. Hitohy amin’ny “Flashmob” ao an-tokotanin’ny Tranombokim-pirenena Anosy kosa izany hatramin’ny 1 ora sy sasany. Aorian’izay ny diabe hataon’ireo tropy mpandihy, hihazo ny Havoria, izay toerana hanaovana fampisehoana dihy ihany koa. Hitohy ny alahady izany, saingy hifindra ao amin’ny Ivokolo Analakely.
“Mandihy misy tanjona amin’ny fanandratana ny maha Malagasy” no hovoizin’ireo mpandihy amin’ity fankalazana ity. Tropy mpandihy manodidina ny 40 eo ho eo izy ireo no handray anjara amin’ny hetsika, izay hanehoana ny karazan-dihy misy rehetra. Ankoatra ny fankalazana iarahana amin’ny minisitera mpiahy, efa nanomboka ny azy tamin’iny herinandro iny koa ny Compagnie Rary, tamin’ilay hetsika “Festival Dihy Soratra”, izay efa andiany fah­e­nina izao. Nandritra ny hadimiana no nizaran’izy ireo ny voambolan-dihy, asa famoronana dihy, dihy soratra ary soradihy. Nifarana omaly, nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy izany, tao amin’ny Tahala Rarihasina.
Nisafidy ny hizara ny traikefany tamin’ny alalan’ny “Open class” kosa i Harivola Rakotondrasoa, omaly, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Nampita ireo teknika ilain’ny mpandihy anatin’ny seho, ity tale artistikan’ny “Projet Dihy” ity.

Zo ny Aina

Partager sur: