INDRAY MIJERY

Nifarana ny zoma teo ny fara fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Ny 11 mey kosa no hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Ny 22 jolay ka hatramin’ny 26 jolay kosa ny fanadinana ho an’ny sokajy ankapobeny ary mitohy hatramin’ny 1 aogositra izany, ho an’ny sokajy teknika.

Mamely ny gripa sy ny sery vao mivadika man­gatsiaka tampoka ny andro. Ireo manana toe-pahasalamana marefo no tena lasibatra, ireo zaza sy ankizy, zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza. Fampitom­boana ny hery fiarovana no torohevitry ny mpitsabo. Fandehanana any amin’ny dokotera koa raha misy fanaviana na havizanana mitarazoka.

180 tapitrisa ny fatram-baksiny novidian’ny fanjakana ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, hoy ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka. Sivy ny karazam-baksiny efa atao maimaimpoana ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika. Haverina amin’ny alalan’ny fanentanana sami­hafa ny fahatokisan’ny ray aman-dreny ny herin’ny vaksiny.

Japonais mpilatsaka an-tsitrapo enina no niverina nody miaraka amin’ireo traikefa sarobidy noraisin’izy ireo, nandritra ny iraka nataony teto Madagasikara. Nizara ny hamafin’ny fifandraisany tamin’ny mponina sy ny ezaka natao izy ireo hanatsarana ny fiainan’ny mponina, indrindra eo amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo, fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary ny asa mahakasika ny fahasalamana.

Partager sur: