Samy miaro ny rambony

 

Iray volana karotra omaly ny daty hanatanterahana ny fifidianana depiote eto Madagasikara. Samy efa manovokovoka amin’ny vakilain’ny fampielezan-kevitra avokoa ny kandidà sy ny mpanohana. Ny sasany aza efa tsy mahatsapa tena intsony hoe mbola afaka herinandro vao misokatra ilay andro malaza. Tsy mahagaga anefa izany, efa fomba fiady eto amin’ny tanàna ny manao izay danin’ny kibony. Mifampitsikerakera maivamaivana eny, samy mangina dia samy vita.
Resabe fotsiny aloha hatreto ny mahakasika ny lalàna sy ny fitsipi-dalao amin’ity raharaha manga ity. Miteny sy mitabataba fotsiny ny mpikarakara fifidianana. Mivoaka miditra toa lelon-jaza fotsiny ny ankamaroan’ny herivelona, nomem-pahefana ho amin’izany. Ny mpilalao no mamaritra ny zotra sy lamina eny an-kianja. Mivadika mihitsy ny rasa!
Tsy hita ifanomezan-tsiny rahateo ny momba azy ity hatramin’izao. Sarotra ny hiampanga an-dranona na ranona. Samy amin’ny fomba fiadiny sy miaro ny rambony tsy ho tapaka na ny olom-boatendry na ny olom-boafidy. Baikoin’ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoa arakasa. Iaraha-mahita ny tsindritsindry sy ny mena ambanin’ny mena miseholany etsy sy eroa. Manaraka ny feon’ny « patron ».
Ireo natao ho ohatra tsara aza indraindray no mpitari-bato vilam-bava. Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny ataon’ny tanana, ary zotra hafa no alehan’ny tongotra. Fanina hatramin’ny mpitazana, kanefa dia raharaham-pirenena ilay resaka. Maromaro ny tomponandraikitra mila miverina amin’ny hasina maha mpiasam-panjakana azy mba tsy hisy mizana tsindrian’ila ilay fifidianana.
Antoka iray isian’ny fitoniana sosialy, manatsara ny lafiny toekarena, ny fifidianana madio sy mangarahara ho avy eo. Fifidianana manakaiky vahoaka sy miainga avy any ifotony rahateo no hatao ny 29 may, rariny sy hitsiny raha homen-danja misimisy kokoa

r.r

Partager sur: