Mois : avril 2024

ENMG: miisa 81 ireo nivoaka ho mpitsara

Tontosa omaly, teny amin’ ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny lanonana nanolorana mari-pahaizana ny mpianatra teo anivon’ ny Sekolim-pirenena manofana mpitsara sy mpiraki-draharaha na Ecole nationale de magistrature et de greffiers (ENMG). Mpiofana ho mpitsara miisa 81, avy amina sampam-pianarana telo, “Judi­ciaire” sy “Administrative” ary “Financière”, no notolorana […]

Samy fetsy

  Toy ny mahazatra ny Malagasy, izay tsy manao zavatra raha tsy ampotomoty sy miandry amin’ny ora farany dia nihazakazahana ny fanaterana antontan-taratasy filatsaha-kofidina, omaly. Nanaitra ny nahita ny kandidàm-panjakana. Ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta no lohalisitra any amin’ny faritra niavian’izy ireo. Inona no antony? Samy manana ny paikady politikany […]

Fifidianana depiote: maromaro ireo mpanao gazety sy mpanakanto kandidà

Anisan’ireo eo hatrany ny mpanao gazety sy ny mpanakanto amin’ny fifidianana depiote. Maromaro izy ireo hatramin’ny fotoana farany, omaly, no nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina. Eo koa anefa ireo misehatra amin’ny asa hafa. Anisan’ny mpanao gazety ho kandidàn’ny Irmar i Fetra Rakotondrasoa any Miarinarivo, raha any Ambatondrazaka i “Del kely”. Etsy […]

TSELATRA

Naratra nendahin’ny jiolahy ny mpivady nanao fanatanjahantena vao maraina teny By-Pass, omaly vao maraina. Mody nanao fanatanjahantena ihany koa ireo jiolahy roa nanaraka azy mivady avy ao aoriana. Naratra teo amin’ny lohany samy voadaroka izy mivady. Lasan’ireo mpanafika ny finday teny amin’izy ireo. Lasan’ny jiolahy ny volan’ny renim-pianakaviana iray saika […]

Fifandonana mahery vaika : dahalo telo lavo, omby 50 tafaverina

Nirefodrefotra ny basy! Dahalo telo maty ary telo naratra vokatry ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny kaominina Mahabe, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nana­fika tao amin’ny fokontany Andabozato ny dahalo 40 lahy nitam-piadiana. Norobain’izy ireo ny omby 50 ka nentiny nandositra. Nanara-dia nanao izay ho afany nanenjika ireo mpandroba ny fokonolona sy […]