Mois : avril 2024

TARATRY ny KANTO

Hanomboka anio ny fankalazana ny Alahamady. Vohitra maro eto Imerina no mbola mankalaza izany, indrindra ireo any ambanivohitra lavitra. Ho an’ny eny Anosimanjaka manokana, hisy ny arendrina toy ny mahazatra, anio alina. Rahampitso kosa ny ivon’ny fankalazana, eo an-kianja. Hofaranana amin’ny ady hiragasy izany ny alakamisy. “Les soirées classiques”. Io […]

Kabeson’ny Ampanjaka Toera: hatao ny fomba rehetra amin’ny famerenana azy

Miroso hatrany. Nivory tetsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, ny komity manokana misahana ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toe­ra, omaly. Nidinika ny dingana manaraka tokony harahina izy ireo, na araka ny lalàna na araka ny fomba. Fantatra mantsy fa hatao daholo ny fomba takina amin’ny zavamanan-kasina toa izao. Tsy maintsy hapetraka […]

FIFOI 2024 : mandray anjara i Hachimiya Ahamada sy i Lova Nantenaina

Tsikaritra ny firoboroboan’ny sehatry ny sarimihetsika ankehitriny. Mivelatra manaraka izany ihany koa ireo hetsika entina ifaneraserana sy ifanakalozan’ireo samy eo amin’izany tontolo izany. Anisan’izany ny FIFOI, izay hetsika vaovao mampiray ny mpiangaly sarimihetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanterahina ao amin’ny Nosy La Réunion, na­nomboka omaly hatramin’ny 12 Avrily 2024, ny […]

Rotsakorana tany Toamasina: miaka-bidy ny ankamaroan’ny entana, mirongatra ny hala-danja

Anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ ny mponina manerana ny Nosy amin’ izao fotoana izao, manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Anisan’ izany ny any Toa­ma­sina sy ny manodidina, izay nanaovana fanadihadiana. Saika miaka-bidy avokoa ny filana andavanandron’ ny mponina isan-tokantrano ho an’i Toamasina ambonivohitra manokana. Manodidina ny 3 400 Ariary ny iray kilao […]

FANTINA sy FINTINA

Nomena fanalavam-potoana ireo kandidà hamenoana ny antontan-taratasiny raha misy ny olana na tsy fahafenoan’izany. “Afaka mampiakatra fitarainana eny amin’ny Ceni izy ireo, 24 ora aorian’ny fandraisana ny tatitra sy ny dosie avy eny anivon’ny Ovec. Ampiakarina any amin’ny HCC izany raha tsy mahafa-po ny kandidà ny valin-teninay”, hoy ny Ceni, […]