Tontosa omaly, teny amin’ ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny lanonana nanolorana mari-pahaizana ny mpianatra teo anivon’ ny Sekolim-pirenena manofana mpitsara sy mpiraki-draharaha na Ecole nationale de magistrature et de greffiers (ENMG). Mpiofana ho mpitsara miisa 81, avy amina sampam-pianarana telo, “Judiciaire” sy “Administrative” ary “Financière”, no notolorana ny mari-pahaizana. “Ilo”, io no anarana nofidin’ity andiany ity isalorana. “Tokony homena lanja ny fanofanana ireo tomponandraikitry ny fitsarana, sahala amin’izao, ho tombontsoan’ny fitsarana amin’ny ankapobeny”, hoy Ramarolahihaingonirainy Anthony, talen’ny ENMG.
“Zava-dehibe, ary manampy amin’ny fanatrarana ny vinan’ny fitondram-panjakana, amin’ny fametrahana fitsarana mangarahara sy tsy mitanila, izao fampitomboana isa ny tomponandraikitra sy mpisehatra eo anivon’ny fitsarana izao”, hoy Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, minisitry ny Fitsarana. Raha ny mahakasika ireto mpianatra nahazo mari-pahaizana ireto, nandritra ny roa taona, nanomboka ny 2022, izy ireo no niofana tao amin’ny sekoly. Miisa 41 avy amin’ny sampam-pianarana «Judiciaire», 20 avy amin’ny «Financière» ary 20 avy amin’ny sampana «Administrative». Amin’ity anio ity, eny amin’ny fitsarana an-tampony, ireto mpianatra vao nandray mari-pahaizany ireto no hanao ny fanekena sy tokim-panompoana amin’ny maha mpitsara azy.
Lin




