Taorian-dRandafiarison Rosina, anjaran’Andriatsitohaina Tojo indray no niditra an-tsehatra, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja fibatana fonjamby. Fifaninanana natao tany Thaïlande, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny vokatra voaray, tsy tao anaty filaharana na “non classé” i Andriatsitohaina Tojo. Malagasy mpibata fonjamby, sokajy latsaky ny 73 kg. Araka […]
Mois : avril 2024
Hanatsarana ny fahasalamana: nahazo fitaovana ara-teknika avy amin’i Japon ny IFIRP
Nanolotra fitaovana ara-teknika ho an’ny Instituts de formation interrégionaux des paramédicaux (IFIRP) ny masoivohon’i Japon, omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanarenana sy fampivoarana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara izany. Tetikasa vatsian’ny Fonds de contre-valeur Japonaise. Haparitaka amin’ireo ivontoerana enina manerana ny Nosy ireo fitaovana rehetra ireo. Anisan’izany, ny […]
Minisiteran’ny Mponina: manasongadina ny tantaram-pahombiazana ireo fikambanana
Efa hita ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny minisiteran’ny Mponina ireo horonantsary mirakitra tantaram-pahombiazana hanaovan’ireo vehivavy sy fikambanana fifaninanana. Efa mandeha ny fifidianana izany ka izay mendrika no hisitraka ny loka efa voafantina. 47 ireo fikambanam-behivavy na olon-tsotra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Horonantsary 2 minitra mitantara ny fahombiazana, ho fitaratra ho an’ny hafa […]
Fiovan’ny toetr’andro : nampirongatra aretina 20 vaovao
Misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fiovan’ny toetr’andro miseho eto amintsika. Nisehatra tamin’izay ny fandaharanasa PAGE /GIZ, efa nanomboka tamin’ny dingana voalohany. Nampahafantatra ny aretina enina mety hirongatra vokatr’izany izy ireo: ny tazo, pesta, fivalanana, aretina azo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina, areti-tratra (IRA) ary ny tsy fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry […]
Fampahafantarana ny voka-pikarohana : hanangana vovonana niomerika ny oniversitem-panjakana
Olana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fahafantarana ny voka-pikarohana mivoaka eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hanampy betsaka izany ny fananganana ny vovonana niomerika. Nifarana omaly, tetsy Andrainarivo, ny atrikasa nataon’ireo mpisehatra amin’ny fikarohana eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny atrikasa ny hananganana sy hanamboarana vovonana niomerika mahakasika ny fikarohana. “Tanjona ny hanamorana […]




