Mois : avril 2024

fiarovana ny tontolo iainana : mandray anjara ny SIM

Hiara-hiasa ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD). Nisy ny dinika nifanaovan’ny roa tonta teny Akorondrano, ny alakamisy teo. Voaresaka ny fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasy ilain’ny orinasa eo […]

Minisitra Andriatsitohaina Naina: “Fototry ny filaminana ny firindran’ny fananantany”

Nifarana omaly ny atrikasam-pirenena ho amin’ny fanavaozana ny lalàna momba ny tanim-panjakana azo amidy. Nisy ny toromarika nomen’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) tamin’izany. “Anisan’ny fototry ny fandriampahalemana ny filaminan’ny tontolon’ny fananantany. Ha­no­va ny tantara isika amin’izao fanavaozana ny lalàna momba ny fananantany izao”, hoy izy. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto Scooter Slalom. Hotolorana lelavola 250 000 Ar izay mahazo ny laharana voalohany ao amin’ny sokajy « A ». Tsara ny mampahafantatra fa ny Scoot Racing Club no mikarakara ity fifaninanana ity. Nijanona eo amin’ny laharana faha-109 i Madagasikara ao […]

Tsipy kanetibe: nanomboka omaly ny fiadiana ny amboara

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, teny amin’ny Avenue de la Gare Antsi­rabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “séniors”, lehilahy, la­laovin’olona telo. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), homena […]

Rugby – «Top 20» : hanohitra ny FTM ny TFA

Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “Top 20”. Hampiantrano izany ny kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Manjakaray. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny FTM saingy hiezaka hanohitra ny TFA. Samy […]