Mois : avril 2024

Seho « Redombe » : hira 37 no hovelomina

Miroso hatrany ny fanomanana ilay fampisehoana an-tsehatra « Redombe » karakarain’ny Sehatra Bagasy. Fantatra fa mahatratra 37 ny isan’ireo hira hovelomina eny an-tsehatra, ny sabotsy 25 mey izao, ao amin’ny efitrano malalaky ny CCEsca Antanimena. Anio, hanatanteraka fihaonana « Atrikefa Bagasy » ho famerenana ireo hira ireo, eny amin’ny Aro Antsahavola, ireo mpanakanto mivondrona […]

Prix Paritana 2024: lasan’i Tsiriniaina Irimboangy ny amboara

Mitohy hatrany ny fanohanana sy fanolorana fanararaotra ho an’ny Malagasy mpahay kanto ataon’ny Fondation H. Mpahay kanto miisa telo, miangaly haikanto samihafa, no voafantina hisitraka ny tolotra enti-manatsara ny tetikasany avy, tamin’ity andiany ity. Tontosa teny amin’ny Institut français de Ma­da­gascar (IFM) Anala­kely, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy, ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nohelohin’ny raiamandreny any amin’ny faritra Amoron’i Mania ny HCC amin’ny fanapahan-kevitra nanala an-dRazanamahasoa Christine tsy ho depiote. “Didy sy fanapahana miharo tsindry iny na­voaka iny ary fanilihana ny zanak’i Fianarantsoa… Ny amin’ny sisa no tsy atao intsony”, hoy izy ireo. Mikatso ny asa eny amin’ny tetikasa Tana masoandro, Imerintsiatosika, araka […]

Fifidianana depiote : 3% amin’ny kandidà no nanatitra dosie

“Manodidina ny 3% izao ireo kandidà nanatitra ny dosieny manerana ny Nosy amin’izao efatra andro mialoha ny fe-potoana farany, ny alatsinainy izao”, hoy ny loharanom-baovao iray. Voalaza ho anton’izany ny mbola ady varotra sy fifandresen-dahatra naharitra ary koa ny paikady eo amin’ireo vovonana politika, manolotra kandidà. Ta­min’ity herinandro ity vao […]

Sangy mihoatra ny loha

  Olam-piarahamonina goavana iainan’Antananarivo Renivohitra, ny mahakasika ny rano sotroina sy hidiovana. Misy ny faritra efa dimy volana tsy mahazo rano. Kinkina tanteraka ny paompy sy ny siniben-drano. Tsy misy vahaolana na vonjimaika akory avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy misy na fidinana ifotony, hijerena ny maharary ilay vahoaka. Manomboka mitroatra tsikelikely […]