Mois : avril 2024

Tao anatin’ny telo volana: miisa 36 883 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara

Tsy mitsaha-miakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara. Ny volana marsa teo, miisa 14 550 ireo nitsidika ny Nosy malagasy. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Miakatra miandalana ihany koa ireo antotanisa voaangon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Ny volana marsa teo, nahatratra 14 550 ireo mpizahatany tonga teto […]

MVola: fiaraha-miasa amin’ ny Voiladoc

Mivoatra miitatra hatrany ny sehatry ny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana MVola ny Voiladoc. Azon’ny mpanjifa atao, araka izany, ny mahazo ny tolotra avy amin’ny lafiny fahasalamana niomerika. Toy ny fangatahana fotoana handehanana any amin’ny mpitsabo, mandritra ny fotoana rehetra, indrindra ho an’ireo mipetraka any ambanivohitra sy […]

Seranan’i Nosy Be: ampiasaina ny angovo avy amin’ny masoandro

Manana fotodrafitrasa aha­zoana angovo avy amin’ny masoandro ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, tantanin’ny orinasa Ravinala Airports. Efa nanomboka ny volana marsa teo no nampiasana azy, ahafahana mitsinjo ny tontolo iainana. Ampia­saina hikarakarana ny fifamoivoizana ana habakabaka amin’ny andro mazava ity fotodrafitrasa ity. Fantatra fa hiantoka ny 35% ny herinaratra ilaina […]

Fambolena: Ilaina ny fampiasana masomboly voafantina

Miakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-bokatra ho an’ireo mampiasa masomboly voafantina sady voamarina. Mahatratra 20 mianadahy ireo mpitsirika sady mpanara-maso, vaovao. Nanao ny fianianany tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, omaly, ireo 20 mianadahy, nahavita fiofanana ho mpitsirika sy mpanara-maso ny masomboly. Avy any amin’ny faritra fito (Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsimo […]

TARATRY ny KANTO

« Ny hafatr’ireo tavoahangy plastika ». Boky vaovao navoakan’ny edisiona Tsipika izy ity, nosoratan-dRasolondraibe Ando Nantenina na i Voniary, ary noravahan-dRakotoarivelo Vonona Zo. Hisy ny fampahafantarana izany arahina rango-pohy ny boky rahampitso alarobia 24 avrily, manomboka amin’ny 10 ora etsy amin’ny Tranomboky Tsipika Ambohijatovo. « Ariela sy Arilay ». Bokin’ankizy nosoratan’ Andrianavalontseheno Haritiana, izay […]