Ny minisitry ny Rano, fidiovana sy fahadiovana, Ravokatra Fidiniavo, no misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafiharison Andriamanantena, rehefa nisafidy hanohy ny lalana politika ity farany. Natao omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta. Nilaza ny minisitra mpisolo toerana fa manana ny lanjany sy […]
Mois : avril 2024
Adina ara-panatanjahantena-BEPC : mitaraina ny mpitantana sekoly fa itakiana vola ny mpiadina
Tsy manana kianja hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ny minisitera roa voakasika mandritra ny fanadinam-panjakana nefa tsy nanokana sora-bola mahakasika izany. Ny mpiadina no manome fandraisana anjara. Tafiditra amin’ny fanabeazana ny taranja fanatanjahantena eny anivon’ny sekoly ka tsy tokony hakana vola avy amin’ny mpiadina ny fanatanterahana izany ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC […]
Tanora mpandraharaha: misokatra ny « Loka Pierre Castel 2024 »
Efa nanomboka tamin’ny 1 marsa ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 24 avrily izao, ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana «Loka Pierre Castel» ho an’ny taona 2024. Natokana ho an’ireo tanora mpandraharaha 18 hatramin’ny 45 taona izy ity, izay monina eto an-toerana ary misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. […]
Fandraharahana: hitsangana ny « Palais de l’entrepreneuriat »
Ho fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, hiara-hiasa ny federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MIC) amin’ny fananganana ny Lapan’ny fandraharahana (palais de l’entrepreneuriat). Hitsangana tsy ho ela ny vovonana izay ivon’ny fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha sy ny […]
Fifamoivoizana: hanomboka ny Forum de la mobilité urbaine
Hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato, ny 24 sy 25 aprily izao, ny Forum de la mobilité urbaine du grand Antananarivo. Atrikasa momba ny fanatsarana ny fitaterana an-tanàn-dehibe. Tanjona ny hampivoarana ny asa fitaterana eto Antananarivo izay hatomboka amin’ny tetikasa hanatsarana ny fitrandrahana eny amin’ny « rocade ». Misantatra izany ny […]




