Mois : avril 2024

Kitra –Telma Coupe: tafita ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nifarana omaly ny 1/16, fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­sikara, « Tel­ma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana ny Elgeco Plus, nahazo ny amboara tamin’ny taon-dasa sy ny CFFA Andohara­no­fotsy, tompon’amboara lefitra farany. Ny ekipan-dra Heribe, mpanazatra ny CFFA, nanaporofo ny maha ekipa sangany azy […]

Tenisy – ITF/CAT : Tompondakan’ny « Circuit mondial Junior J30” Rasendra Miotisoa

Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara nandritra ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour- J30” izay natao tany Abidjan. Nahazo ny laharana voalohany Rasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Fahombiazana tanteraka no azon-dRasendra Miotisoa, vehivavy mpilalao tenisy, nandritra ny famaranana ny fifanintsanana “Circuit mondial Junior J30”, izay natao tany Abidjan Côte […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 4 530 miliara Ar ny fanafarana nataon’ i Madagasikara, nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Nibahana manokana tamin’izany ny akora fototra, izay nahatratra 1 029,2 miliara Ar. Manodidina ny 972 miliara Ar ny angovo, raha 812,7 miliara Ar ireo fitaovana ary 651,5 miliara Ariary ny sakafo nafarana. Miisa 14 550 ireo mpizahatany […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : tokony hampitomboina ny mpitaridia matihanina

Singa iray mampihodina ny toekarena ny sehatry ny fizahantany. Ity farany izay manomboka miarina amin’ izao fotoana izao. Nahita asa avokoa ireo mpitaridia tamin’ny taona 2023, na izany aza, miandrandra ny hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena ny fikamban’ireo mpitaridia mpikambana ao amin’ny Association nationale des guides (ANG) hitohizan’ny fahatongavan’ireo mpizahatany […]

Miaka-bokatra : mihena hatrany amin’ny 2 350 Ar ny kilaom-bary

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana miaka-bokatra ny ao Imerintsiatosika. Mitobaka eny an-tsena, araka izany, ny vary avy any an-toerana ka tsy atahorana ny tahiry. Ankehitriny, tafidina hatrany amin’ny 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry raha mbola 1 630Ar izany teo aloha. Midina ho 2 350Ar ihany koa ny kilaon’ny vary fotsy raha 2 500Ar ny […]