Mois : avril 2024

Judo- Tompondakan’i Afrika : Olana ny fampiantranoana sy ny saram-pandraisana anjara ho an’ny Malagasy

Hiainga anio amin’ny 1 ora atoandro, etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ho any Egypte, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo. « Mbola olana ho anay ny resaka fampiantranoana « hébergement » ireo mpilalao, indrindra ny saram-pandraisana anjara “droit d’en­gagement” », hoy i Said Bruno Eric, filohan’ny Federa­siona malagasin’ny […]

Baolina kitra : hanangana tranombakoka ho an’ity taranja ity ny JMA

Mikasa hametraka tranombakoka ho an’ny baolina kitra malagasy ny Jeunes malagasy ambitieux (JMA). Namba­ran’i Kantoharimanana Ro­meo, filohany, fa nanosika azy ireo hanao izany ny fitiavana ny fanatanjahantena. Tanjo­na, hapetraka amin’ny toerana iray, ho hita sy ho fantatr’ireo taranaka, ny tantaran’ireo ka­laza nitondra avo ny lazan’ny baolina kitra sy ny tantarany. […]

Makis Ladies – «Can 2024»: fandresena an’i Kenya no tanjona voalohany

Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy “Can 2024”, ny Makis Ladies ankehitriny. Tanjona voalohany ny fandresena ny Lionan’i Kenya. J-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka, ny […]

DAKA AN-JORONY: Toy ny sahobakaka ambodirina

Tsy mbola tapitra akory ny dian-tantara mahakasika ny kianjaben’i Mahamasina sy ny Barea de Madagascar ary ny tontolon’ny baolina kitra. Eo anivony mihitsy ny rehetra amin’izao fotoana izao. Efa nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao, niaraka tamin’ny filohan’ny federasiona malagasy, fa miezaka manitsy ny tsy mety izy […]

Sombim-baovao

Hotontosaina ny 5 mey ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja moto scooter. Ankoatra izay, notanterahina omaly, te­ny Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana « En­duro Motul Sherco ». Eo amban’ny fiahian’ny Fede­rasiona malagasin’ny Moto (FMaM) ireo fifaninanana ireo. Niainga afakomaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina […]