Hanohana sy hanampy ny firenena malagasy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Vonona hanatanteraka ny fandaharanasan’ ny FMI i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny delegasionina malagasy mandritra ny fihaonamben’ny lohataona any Washingthon DC. Voaresaka manokana ny momba ny […]
Mois : avril 2024
Aretina vokatry ny loto: mirongatra ny lagaly, mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana
Nahitam-piakarany ny tahan’ny olona voan’ny aretina lagaly tao anatin’ny roa taona izay, raha ny zava-misy eny anivon’ny toeram-pitsaboana nanaovana fanadihadiana. Mampalahelo fa heverin’ny ankamaroan’ny olona fa aretin-koditra vokatry ny tsy fahazakana sakafo na aretin’aty izy io. Nahitana fitomboana ny trangan’aretina lagaly amin’izao fotoana izao. Taloha nahalana be ny fahitana olona […]
FANTINA sy FINTINA
Mitsidika ny any Hongrie ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voaresaka amin’ny tomponandraikitra any an-toerana ny hiarahana miasa eo amin’ny samy oniversite. Anisan’izany ny vatsim-pianarana mankany amin’ity firenena ity. Eo koa ny hahatongavan’ireo Hongrois mpampianatra hanofana ny momba ny fambolena… Takin’ny CSI ny hanafoanana ny vaomieran’ ny HCJ eny […]
Fifidianana depiote : niantso ny hiarovana ny safidiny ny Kolektifa
Nambaran’ireo kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy eny Avaradrano fa tokony hijoro sy hiaro ny safidiny ny olom-pirenena. Nentaniny ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny zotram pifidianana ny rehetra. Teo koa ny fanentanana hifidy. “Anay sy antsika miaraka avy eo ny tohiny. Hifankahita eto isika raha misy mangala-bato na manodina ny safidim-bahoaka. […]
Ifotony misy fotony
Tsy misy fotony? Na antony, na dikany… Amin’izao, atao ny fidinana ifotony ary imasoana ny fampandrosoana ifotony. Hanao ahoana? Efa fantatra izay mampikaikaika ny vahoaka hatramin’izay, tsy mbola tena voavaha amin’ny fomba mahomby sy azo antoka ary maharitra matoa tsy mahafa-bela. Voalohany amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, fa misy […]




