Fandrobana taxi-moto: jiolahy iray maty, roa azo sambo-belona

Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny zandarimaria ny jiolahy iray tompon’antoka tamin’ny halatra moto tao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny alatsinainy 27 avrily teo. Lehilahy miisa efatra nanofa taxi-moto niainga tao Arivonimamo hihazo an’i Miandrandra. Namoaka basy anefa ireo olon-dratsy tao Ankilomaka. Voatifitra ny iray tamin’ireo mpitondra moto. Nahay nandositra ny iray. Voasakan’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, ny ampitson’io. Tafaporitsaka avokoa ireo jiolahy ary tavela ny moto halatra. Nitohy ny hazalambo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra momba ny toerana misy ireo mpangalatra ny zandary. Noraisim-potsiny tao Antanetibe Mahazaza, ny telo lahy. Niezaka namaly ny zandary nisambotra azy ny iray ka lavo. Nahatrarana fitaovam-piadiana toy ny bala, antsy, hatramin’ny lefona teny amin’ireo jiolahy ireo. Mitohy ny fikarohana.

Tsiferana R.

Partager sur: