grevy teny vontovorona: Raikitra ny tora-bato sy grenady

Nirefodrefotra indray ny grenady lakrimozena teny Von­tovorona nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra, afakomaly. Tsy nifan­kahitana ihany koa ny tora-bato sy tapa-biriky. Teo koa ny fandorana kodiarana. Nipari­taka manerana ny lalana ny tapa-biriky sy vato ary siniben-drano iray. Mpianatra iray naratra nandritra ny fifando­nana teo amin’ny mpianatry ny politeknika sy ny mpitandro filami­nana. Nanamafy ireo mpianatra fa tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny fi­lohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vonto­vorona, Haja­lalaina Stéphano Aristide, mitaky ny hamoa­hana ny va­tsim-pianarana dimy volana miampy ny fam­pitaovana izy ireo. Takin’izy ireo ny hampiakarana avo roa heny ny vatsim-pianarana satria efa tsy mifanaraka
amin’ny filan’ny mpianatra amin’izao fotoana intsony izany.
« Hitohy ny fitakiana… », hoy ireo mpianatra

Eo koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny kalitaon’ny fampianarana. «Volana maromaro izy ireo no efa nianatra kanefa vatsim-pianarana telo volana sy fampitaovana anefa no kasain’ireo tomponandraikitra havoaka. Tsy manaiky izany anefa izahay », hoy ha­trany ny fanazavan’ny filohan’ny mpianatra. Nohamafi­siny fa vatsim-pianarana dimy volana, araka ny andro nidiran’izy ireo nianatra no tokony homena azy ireo. Toe­ram-panofanana mpianatra ho teknisianina am­bony anefa ny eny Vontovo­rona saingy tao anatin’ ny 50 taona, tsy nisy fanamboarana mihitsy ny fotodrafitrasa am­piasain’ireo mpianatra. « Efa may ny bloc, tapaka lava ny jiro sy rano na mianatra na tsy mianatra ny mpianatra. Taki­nay ny hana­tsarana ny wifi. Mitohy ny tolona raha tsy misy valinteny matotra avy amin’ny mpitondra fanjakana », hoy hatrany ireo mpianatra.

Jean Claude

Partager sur: