Hotsarain’ny tantara

 

Hisasaka sahady ny taona. Miditra volana fahadimy amin’ny taona isika zanak’olombelona. Volana masina, hoenti-midera an’i manome hasina an’i Masina Maria renin’Andriamanitra, hoy ny mpino katolika. Volam-piotazana, fiakaran’ny vary kosa ho an’ny faritra ambanivohitra maro, manerana ny Nosy. Volam-pararano e! Volana tena ho zina tokoa raha izay no ho zohina.
Izany tokoa anefa ve no zavatra hiseho? Pejy iray goavam-be no tsy maintsy havadika, miandry an’i Madagasikara amin’ny 29 mey. Fifidianana iray lehibe hanamarika ny zotra politika izany na ho an’ny mpitondra na ho an’ny vahoaka. Tsy asiana resabe intsony, ny momba an’iny. Efa samy seriny anatin’ny fanomanana daholo ny kandidà, ny antoko, ny vaomiera mpikarakara, ny mpanara-maso, ny mpamatsy vola, sns.
Ny hitondrana tsindrim-peo, anio, dia ny mahakasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Zary simba sy miaina anaty tontolo feno fahalovana ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Trangam-piarahamonina, tena mampiteny ny moana ny fifamotehan’ny mpiray tanindrazana. Tsy misy intsony ny fifampitsinjovana fa faly manenji-dresy avokoa.
Taiza tao anatin’ny 60 taona no misy Malagasy samy Malagasy sahy mifanebaka imasom-bahoaka fa « mahantra vaovao » izany. Toa mahafaly ny mahita ny mpiara-monina resy sy mitotongana ny fari-piainany. Ny zava-doza, mihamaro ny milalao zava-dratsy hoenti-misompatra ny hafa. Tsy misy intsony ny fifaninanana masina mba samy hisondrotra amin’ny fiainana. Mahazo vahana ny tsindrio fa lavo. Mampahonena!
Inona no tanjona iresahana izany? Tsy mbola tara angamba raha mifampizara ny mahasoa. Angaha misy na iray aza mahavita tena eto? Ny entan-jaraina rahateo mora zaka. Ny Malagasy miara-mientana no afaka hamaha ny olana sedrainy. Tsy misy ho afa-bela rahateo fa samy ho tsarain’ny tantara eto ihany.

r.r

Partager sur: