« Indi Indri 2024 »: maroloko ny mozika handravaka ny hetsika

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’An­tananarivo (AFT) Andavamamba, ny 4 mey 2024, ny « Indi Indri 2024 ». Fampisehoana hanehoana ny mozikan’ireo tarika na mpanakanto mandeha manokana, tsy miankina amina tranom-pamokarana (Label). Abi Rakoto, Marco Klarck, Ny Jinja, Drwina ary The Revery no hifandimby sehatra hanafana ity hetsika ity. Ankoatra ny fampahafantarana ny mozikan’izy ireo, tanjon’ny mpikarakara koa ny hanome tosika ireto mpahay kanto ireto.
Mozika maroloko sy samy manana ny maha izy azy no ho hita eny an-toerana. Hanakoako mandritra ny fotoana ny mozika Sakalava, laroina mozika tandrefana, iangalian’i Marco Klarck. Eo ihany koa ny mozika avy amin’iny faritra avaratr’i Madagasikara iny, ataon’ny Tarika Drwina. Tsy hadinoina ireo mivoy ny mozika avy eto afovoantany, nampifangaroina amin’ireo gadona vahiny. Anisan’izany ny The Revery sy Abi Rakoto. Iraisan’ireto tarika ireto ny fampifangaroana ny mozika avy eto Madagasikara, avy amin’ny faritra maro samihafa, amin’ny avy any ivelany. Ohatra ny fiangalian’ Ny Jinja ny Indie-pop. Ny Pop rock an’i Abi Rakoto, miaraka amin’ny fomba fanononana malagasy sy anglisy mifangaro.

Lin

Partager sur: