INDRAY MIJERY

Ho an’ny ady amin’ny aretina VIH/Sida, hamafi­sina hatrany ny fanentanana ka nisy hetsika fanaovana fitiliana maimaimpoana notanterahina tetsy amin’ny Espla­nade Ankatso, omaly. « Toerana be olona, indrindra ny tanora sy ny mpianatra eny, ka nampanatonina teny ny fitiliana », hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Faha­salamana.

Ho an’ny faritra Atsinanana, hisy fiarahana ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Marie Stella, ho fandraisana ireo mpikambana vaovao sady fiaraha-mifaly amin’ ireo ankizy hafakely. Mikarakara ny hetsika ny fikamba­nana Autisme Madagasikara. Ho an’ ny faritry Boeny kosa, manomana fihaonana amin’ny ray aman-dreny ny fikambanana ao amin’ny Centre manjaka hialana voly, ny sabotsy ho avy izao.

Tontosa ny fiofanana momba ny tantsoroka ho an’ny olona manana fahasembanana notanterahin’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy firaisankina Fito­vinany. Mpisehatra miisa 110 amin’ny tetikasa Zaramira ao amin’ny kaominina Tataho, distrikan’i Manakara no nisi­traka izany. Tanjona ny hamantarana ny sokajin’ireo manana fahasembanana sy ny fandraisana an-tanana tokony hatao amin’izy ireo.

Hanomboka amin’ny alatsinainy izao ny famoa­hana ny vatsim-pianarana 3 volana miampy fampitaovana ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Nivoaka ny tetiandro ho an’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy. Hanampy ny mpianatra amin’ny fanohizana fianarana sy ho fandrisihana azy ireo ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana.

Partager sur: