Poopy sy Njila: notsiahivina an-kira ireo taona maro niarahana

“Avelao ho hitan’ny havany eo, izay tsy miray hina… Izay tsy mety hampiara-peo, hanome fifaliana…”. Am­pahan’ny tononkiran’ny “Firai­sankina”, hiran’ny tarika Njila io. Anisan’ireo hira nanamarika ny fiandohan’ny tarika tamin’izany, indrindra ilay feo telon’i Njila, Poopy ary i Hery. Santionan’ireo hira nalahatra nandritra ny seho , izay notontosain’ireto mpanakanto ireto tetsy amin’ny CCEsca An­tanimena, omaly, ihany koa izany.
Santionany satria ireo hira misy ny feon’i Poopy tany amin’ny 40 taona lasa rehetra mihitsy no nalahatr’izy ireo. “Hotantaraiko anareo, izaho sy i Njila” rahateo ny lohatenin’ny seho, izay namerina ireo mpankafy sy mpijery tany ambadiky ny taona maro. “Ilay rivotra”, satria iny no hira voalohany nomen’i Poopy an’i Njila, no nanombohana ny seho. “Vao naheno ny feony aho dia misy ireo hira tonga dia fantatro hoe natao ho azy”, hoy ny nambaran’i Njila. Tan­tara nanamarika ny niandohan’i Poopy teo amin’ny mozika rahateo izany, ka tsapa fa fenofeno ny fony raha namerina indray ny, “Soa ihany”, “Voan-dalana”, “Ndeha ihany”, “Raha nofy”, “Andro hafa”, sns.
Nampanembonembona ireo mpankafy, saingy tsy tena feno ny fahatsiarovana, satria tsy ny tarika Njila toa ny tadidy fahiny no teny an-tsehatra. I Mahery no nasain’i Njila sy i Poopy namerina ny feon’i Hery. Soa kosa anefa fa matihanina sy tsara famerenana ireo mpitendrin’i Poopy ka nahalafatra ny seho.
Fihetseham-po hafa koa anefa, teo amin’ireo hira na­nombohan’i Poopy irery. “Niaraha-niredona ny “Tsy ahita”, “Ambanivolo”, “Gina­gina”, sns, tany anatin’ny rakikira “Ndao handihy”, “Mala­gasy Rainbow”…
Lafatra iny, saingy mbola hafa koa ny tapany faharoa amin’ity andian-tseho ity. “Iza­ho sy i Rija”, hoy i Poopy, ny alahady 5 mey izao, ao amin’ ny CCEsca hatrany. Ny tapany faharoa amin’io seho io kosa no hanaovany ireo hira be mpangataka indrindra.

Zo ny Aina

Partager sur: