TARATRY ny KANTO

Nampihetsi-po ny veloma farany ho an’i Lalie. Na nandritra ny fotoana niandrasana ny vatana mangatsiakany teo am-bohitra, na nandritra ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tetsy amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, samy nahatsapana ny fitiavan’ny maro azy. Niara-nirodorodo nifanotrona tamin’ny fianakaviana ireo namana sy tapaka ary mpankafy azy, hatrany amin’ny fasana nanitrihana azy eny Anjanahary.
Anisan’ireo hetsika lehibe, handravaka ny IFM Analakely, mandritra ity volana mey ity, ny fampirantiana “Mikea”. Ahitana rantin-tsary sy soratra mampahafantatra bebe kokoa ny mponina sy ny foko Mikea. Eo ihany koa ny fampisehoana sy velakevitra arahina adihevitra manodidina ity foko ity sy ny mponina ao aminy.
Hisokatra ny 4 mey 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana “What a wonderful World”, izay rantin-tsarin’i Daniel Rakotoseheno na Dany Be. Ity farany izay mpaka sary matihanina sy anisan’ny nametraka ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny fakana sary eto Madagasikara.
Eusébia, etsy amin’ny No comment Bar. Lavalava ihany izay lalana nodiavin’i Eusebia izay. Mbola ho lava koa anefa ny miandry azy, satria efa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no milalao mozika ity zanakavavin’i Jaojoby ity. Mandalo kely eto Antananarivo, ka manome fotoana ireo mpankafy azy etsy Isoraka izy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hihazo an’i Frantsa kosa aorian’izay.

Partager sur: