Afa-baraka ilay firenena

 

Nahoraka maneran-tany ny mahakasika ireo biby efa ho lany tamingana eto Madagasikara kanefa nisy nanondrana, tonga any Thailand, omaly. Tsy mba hoe biby iray na roa fa dia sokatra aman’arivony sy gidro efa amam-polony maro. Ahoana no hahatanteraka ny fanondranana izany kanefa tsy misy mahita na voasakana eto amintsika?
Sarotsarotra inoana aloha ny maha varo-maizina azy. Tsy moramora ny famoahana izany indray mandeha, matoa natoby tamin’ny toerana iray any Bangkok. Tambajotra goavana be, misy firaisana tsikombakomba amin’ny mpitondra sy tomponandraikitra ambony izany. Tsy ho olon-tsotra na mpiasam-panjakana ambanimbany laharam-boninahitra mihitsy no hahavita izany. Nandeha lalana mazava ny fanondranana!
Matanjaka ry zalahy! Efa nitety firenena hafa ireto biby, nialoha ny nahatongavany tany Thailand. Mbola saika halefa any Taïwan aza. Volabe tsy toko tsy forohana no lany tamin’ny famoahana azy ireo. Iza no ao ambadik’izany? Sarotra ny hamaritra na izatsy na izaroa. Ny hany azo ambara, afa-baraka ilay firenena sy ny mpitondra mala­gasy. Na sarotsarotra aza ny hivoahan’ny marina momba an’io eto an-toerana, tsy maintsy misy ny ho voatonontonona any ivelany.
Mahatonga saina ny zava-drehetra miseho eto amin’ ny firenena. Zary tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny zavaboahary. Gaboraraka sy lavaka migodana ny sisin-tany sy ny sisin-dranomasina. Olona tsy tompon’ andraikitra no nomena andraikitra hany ka roboka amin’ ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy hita intsony izay azo ianteherana fa izay mipoitra, toa mamoa-tsampona hatrany.
Firenena milaza ho tan-dalàna ilay Madagasikara saingy lohalaharana koa amin’ny kolikoly. Mitaky fahatongavan-tsaina lalina amin’ny sarambabem-bahoaka ny toe-java-misy rehefa tsy hanao ihany ny manampahefana, izay olom-bitsy.

r.r

Partager sur: