Anthonio Rico : hivoaka ny boky “Folo folahana an-kabary”

Eo am-panomanana ny hamoahana boky “Folo folahana an-kabary”, ankehitriny, i Anthonio Rico. Mpanoratra sady mpikabary manana traikefa eo amin’ny fampitam-pahalalana. Boky misy fizarana dimy, ahitana karazan-kabary samihafa. Anisan’izany ny fandrika an-kabary, kabary ankaratsiana, ny ankafaliana, ohabolana…
« Boky tsy mena-mitaha amin’ireo efa nivoaka hatramin’ izay izy ity, satria, mitana ireo andraikitra goavana amin’ny maha mpampianatra sady mpanabe aho, eo am-panoratana azy. Anisan’ny nanosika ahy hanao ity boky ity ny fangata­han’ny namana sy mpandala ny kolontsaina malagasy, efa ho efa-taona lasa izay ary izao tontosa soa aman-tsara izao”, hoy i Anthonio Rico.
Tanjona lehibe ho azy ny hampiroborobo sy hanandratra ny teny malagasy. Boky faharoa navoakany manokana ity fa efa maro ny boky navoakany niarahana tamin’ny namana mpisehatra amin’ny tontolon’ny kabary. Raha ny vina napetraka, hivoaka ny volana oktobra izao ny boky “Folo folahana an-kabary”.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: