CHU Mahavoky Atsimo: arifomba ny fitaovana fitiliana tsinay sy vavony…

Nisitraka fitaovana ara-pahasalamana avo lenta ahafahana manao fitiliana ny lalan-kanina sy ny vavony ary ny tsinay ny CHU Mahavoky Atsimo ao Mahajanga. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Australian Doctors for Africa (ADFA) avy any Austra­lie no nahazoana izany.
Nanazava ny talen’ny CHU Mahavoky Atsimo fa amin’ny alalan’ny « sonde » roa miaraka dia mety ny fitiliana, na avy any ambony na avy any am­bany, hahafantarana ny tena fototr’aretina, hanamorana ny fitsaboana.
Amin’ny herinandro ambony dia efa afaka miasa ireo fitaovana ireo ka nanaovana antso ireo izay marary vavony ho tonga hitsabo tena. Maro ireo aretina azo tilina amin’ity « machine endoscopique di­gestive » ity. Anisan’izany ny homamiadana, « ulcère » sy
« inflammation gastrite », varisy amin’ny lalan-kanina izay mahatonga ny marary handoa ra, fivontosana kely ao amin’ny vatana tsy mila fandidiana….
“Afaka hakana ny singa anaty vatana ho alefa any amin’ ny laboratoara ihany koa ity fitaovana ity”, hoy hatrany ny dokotera lehiben’ny sampandraharahan’ny HGE, Rakoto­malala Jolivet. “Ny taona 2005 no nanomboka teto Madaga­sikara ny ADFA”, hoy ny Dr Sherman Picardo. Efa avy nanome fitaovana mitovy amin’ izao ho an’Antananarivo, Fia­narantsoa sy Toliara koa izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: