Hetsika ara-javakanto marolafy: hanampiana ny foko Mikea ny vola azo

« Mikea – Les derniers chas­seurs-ceuilleurs de Madagas­car, une culture en voie de disparition ». Io no lohatenin’ ilay boky navoakan’i Thierry Cron. Raha hadika tsotsotra, « Mikea – Ireo mpihaza sy mpioty farany ao Madagasi­kara, kolontsaina andalam-pahaverezana ». Boky maneho ny momba ireo Mikea, izay foko iray anisan’ny miavaka eto Madagasikara, satria mbola mitana ny fomba fototra kanefa efa andalam-pahaverezana izany. Nataon’ny mpanatontosa amin’ny teny mala­gasy sy frantsay izy ity. Maha­tratra 200 pejy ary ahitana sary maro mandravaka azy. Maneho ny andavanandrom-piainan’ireo foko Mikea, ny fomba fihazany sy ny fitsirihany sakafo, ny olana lasa iainany isan’andro, sns, izany. Ny Editions des autres no namoaka ity boky ity.
Ho fanohanana azy ireo, hisy ny hetsika ara-javakanto marolafy, izay mihodidina
amin’ity boky ity. Hatao anio 4 mey ny voalohany, manomboka amin’ny 10 ora, etsy
amin’ny Fondation H. Haka aigampanahy avy amin’ny boky ireo mpanao slam, hifandimby an-tsehatra. Ao amin’ny Café de la Musée kosa ny fihaonana faharoa, ny alakamisy 9 mey, manomboka amin’ny 5 ora sy sasany. Fiaraha-misakafo arahana fampahafantarana sy rangotra ny boky, ka harotsaka manontolo ho an’ireo Mikea ny vola tombony ho azo. Hisokatra ny 7 mey ha­tramin’ny 29 mey izao kosa ny fampirantiana sary ao amin’ ny IFM Analakely, izay sanganasan’i Thierry Cron ihany. Eo ihany koa ny fampirantiana ireo zavatra hampiasain’ny Mikea andavanandro, izay nan­gonin’i Jean Claude Vinson, nandritra ny taona maro. Ito farany izay nandalina sy niara-nonina tamin’ireo Mikea mihitsy, ho fiarovana azy ireo sy ny ko­lontsaina manokana ananany.
Marihina fa hisy fivarotana ny boky avokoa ireo fotoana ireo. Ny vola tombony rehetra dia harotsaka manontolo ho an’ireo Mikea ireo. Noho izay fitoviam-pijery izay no nahatonga ny Telma hanohana ireo hetsika marolafy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: