Skoto: Iantsoana mpilatsaka an-tsitrapo any Egypta

Ho an’izay vonona sy mahafeno fepetra, manentana ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanampy amin’ny fikarakarana ny “World Scout Conference”, any Egypte, ny skoto.
Hahazoana tombony sy traikefa amin’ny fikarakarana hetsika avo lenta iraisam-pirenena ilaina amin’ny “Confé­rence Africaine 2025” izany.
Tsy mandoa saran-dasy izay ho any an-toerana, ary hiantohana ny hipetrahana sy ny sakafo. Ny saran-dalana ahatongavana any sy visa sisa no tadiavin’ireo maniry ny handeha any. Maro ireo vaomiera afaka hisafidianana.
Fepetra hiomanana ny fifantenana ho ataon’ny mpikarakara. Tsy maintsy feno 18 taona na mihoatra, mahafehy ny teny anglisy fara fahakeliny (tombony ny fahaizana tenim-pirenena hafa). Vonona hiasa sy manana fahafahana ara-potoana tsara hatramin’ny volana septambra (tokan-tena ny tily). Mila miomana amin’ny CV amin’ny teny anglisy, CV skoto (teny anglisy). Laharana findain’ny olona fakan-tahaka amin’ny skotisma. Mivonona amin’ny sary tapaka 2 samy manao fanamiana. Pasipaoro manan-kery…
Mivonona ihany koa amin’ny fandresen-dahatra fohy amin’ny teny anglisy mahakasika ny traikefa skoto sy/na
sivily ananana tany aloha no manampy hahavita tsara ilay andraikitra ao amin’ny vaomiera nosafidiana.
Afaka jerena ao amin’ny https://www.facebook.com/ share/p/3ana1mJornvWt8Ad/?mibextid=oFDknk ny andinindininy mahakasika ity filatsahana an-tsitrapo ho any Eypta ity.

Tatiana A

Partager sur: