TARATRY ny KANTO

“Urban Vibes” – etsy Mahamasina. Mr Sayda, Gaei, Ceasar, Madmax, Basta Lion, Agrad, Rim-Ka, ary i Skaiz. Ireo ny mpanakanto nosafidiana manokana hanafana ny “World Cola Urban Vibes” andiany faharoa, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Hanampy azy ireo ny mpikosoka kapila efatra efa manana ny lazany.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », ny sabotsy 1 jona, amin’ny 10 ora maraina, « Kabary, hiragasy sy vary be menaka », eny amin’ny zaridainan’Andohalo. Hiragasy hifandonan’ny tarika Razafindramanga Berthine avy eny Ambo­hi­manjaka sy Rakotomavo Pierre avy any Ambatoantrano. Hetsika tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany).

Nosokafana omaly, teny amin’ny AFT Anda­vamamba, ny fampirantiana “Le photojournalisme connecte le monde”. Rantin-tsary hanehoan’ireo mpikambana eo anivon’ny CRIMAD (Collectifs des reporters d’images de Madagascar) ny sariny avy. Azon’ny rehetra tsidihina hatramin’ny 18 mey 2024 izao ny hetsika.

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny IFM Analakely, ny “Concert Diavolana”, iarahana amin’ny Choeur Miangaly. Tsiahivina fa efa nisy ny andiany voalohany tamin’ny fampisehoana natao omaly hariva. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy kosa no nanaovana ity andiany faharoa androany ity.

Partager sur: