Acmil Antsirabe : hatsaraina ny fampiofanana

Nifarana ny zoma 3 mey teo, ny atrikasa niompana tamin’ny fanatsarana ny politikam-piofanana arahin’ireo miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy. Tanjona tamin’ny fanatanterahana io atrikasa io “Tafika moderina”, afaka hanatratra ny fanamby sy hanakatra ny lenta izay tsy mena-mitaha amin’ny firenen-kafa manomboka izao ka hatramin’ny taona 2030. Lamina maty paika sy voarindra no ezahin’ireo manamboninahitra ambony sy manamboninahitra lefitra, notronin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy eo anivon’ny minisitera sy ny Etamazaoron’ny Tafika navoitra tao anatin’ny roa andro nisian’ny atrikasa.

Tsiferana R.

Partager sur: