« Diavolana » : niombon’ezaka ny Choeur Miangaly

Antoko mpihira tsy miankina amin’ny finoana na fivavahana mandia ny faha-10 taonany. Nanatanteraka fampisehoana an-tsehatra « Diavolana », tao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny faran’ny herinandro teo, ny Choeur Miangaly. Tsikaritra, nandritra ity seho ity, fa namondrona ny ezaka nataony ny tsirairay ka nahatontosana izany. Samy naneho ny fahaizany mihira, mitendry, miakatra sehatra, sns, ny tsirairay. Niompana tanteraka tamin’ny mozika klasika ny « Diavolana ». Fizarana voalohany, nahenoina ireo mozi­kan’ny ankehitriny. Tapany faharoa, nanoloran’ny Choeur Miangaly ireo hira malagasy ranoiray. Nohirain-dry zareo tamin’ny aingam-panahiny sy ny fandrindrana vaovao nataony ny hira « Mandi­hiza Rahitsikitsika », « Diavolana fenomanana takariva », sns.
Nomarihin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ity antoko mpihira ity fa nanomboka ny volana oktobra 2023 ka tsy hifarana raha tsy ny jona 2024 ny taom-pihirana ho an-dry zareo. Seho maro manasongadina ny maha kanto ny « zavakanto » (mivoy ny lafiny artistika) no tanterahin-dry zareo anatin’io fotoana io.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: