Dona tapany tsy mahavaha olana

 

Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Na ny sosialy, na ny maha olona… Ao anatin’izao fotoam-pifidianana izao. Mialoha na mandritra ny fampielezan-kevitra, misy ny manararaotra ny fahantram-bahoaka. “Lasa mpanao asa soa avokoa ny mpanao politika”, hoy ny kandidà iray izay. Manolotra fanomezana izany, mizara fanampiana. Tsy inona fa dona tapany hahazoana erany. Misy tambiny izany izay omena? Tsy inona fa ny vaton’ny mpifidy, dia izay.
Misy aza, rey olona, mieritreritra sy manao ny raharaha ho karazana varotra tsotra izao: fampiasam-bola, fakan-tombony. Ny varotra tsy inona fa fahaiza-mividy ny zavatra tokony ho 200 Ar ho 100 Ar, ary izay tokony hamidy 100 Ar ho 200 Ar. Fanambakana tsotra izao? Na halatra, soloky… Tsy mifankaiza amin’izany ny afitsoky ny kandidà sasany amin’izao fifidianana izao? Misy maka na mitrosa vola atsy sy aroa; avy eo, manonitra raha voafidy. Fanaovana bizina ny fifidianana?
Tsy inona koa fa fanaovana raharaha maloto ny toerana maha olom-boafidy, indrindra raha hizakana tombon-jo manokana: fanararaotam-pahefana, fanamparam-pahefana. Izany no angirihana sy iadiana fahefana ho an’ny sasany, indrindra izay mampiasa na ampiasana volabe? Tsy misy, na resaka ihany izay hoe fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana fiainam-bahoaka. Ho tonga hatraiza raha mahazo fahefana? Anjaran’ny vahoaka ny mandinika, mandanjalanja, manapa-kevitra amin’ny safidy. Sao hataon’ny sasany fakan-tombony fotsiny matoa andaniany volabe. Tsy inona izay dona tapany tsy mahavaha olana izay, manerana ny fiainam-bahoaka: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Mba inona, hono, rey olona, ny tolo-dalàna hamahana izany? Na hanitsiana ny tetibolam-panjakana, na handresen-dahatra ny mpanatanteraka…

R. Nd.

Partager sur: