INDRAY MIJERY

Nisy atrikasa ho fanamafisana ny fahaiza-manao, teto Antananarivo, ho an’ny minisitera isan-tsokajiny mahakasika ny rafitra vaovao maneran-tany momba ny zavamananaina. Anisany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nohazavaina ny zava-misy amin’ny fampiharana ny « Fifanarahan’ny Firenena mikambana momba ny zavamananaina eto Madagasikara, indrindra ny paikady nasionaly momba izany.
Noravan’ny rivodoza Freddy tamin’ny taona 2023, ny CEG Irondro ary naorin’ny Unicef tanteraka, ankehitriny, ahafahan’ny ankizy miverina mianatra anaty fotodrafitrasa mendrika. Misitraka « internet » ihany koa ny sekoly. Vita ny fanarenana noho ny fanohanan’ny Unicef USA sy ny fiaraha-miasa amin’ny Unicef Madagascar ary ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Airtel Madagascar.
Mahafaly ny zokiolona ny fahatsapany ny fikarakarana azy na dia zavatra vitany aza. Azon’ny ankohonana (zanaka, zafikely…) atao ny mikarakara ny volony isan’andro. Eo amin’ny sakafo indray, mila fanampin-tsakafo tahaka ny rehetra ihany koa ny zokiolona, ny maraina sy ny hariva. Matetika tsy mahalany sakafo betsaka izy ireny fa kosa tokony hihinana matetika.
Miara-miasa ny UNFPA sy ny tambajotra AWLN ho fanohanana ireo fikambanam-behivavy sy tanora, hampivoarana ny fidirany amin’ny raharaham-panjakana. Hisy tantsoroka ho an’ireo vehivavy mpitarika fikambanana samihafa anio, eny By-Pass.

Partager sur: