Talata Volonondry : tafapetraka ny tobin’ny zandary

Manakaiky ny mponina ary hisorohana ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny tobin’ny zandary Talata Volonondry. Notokanana ny zoma 3 mey teo izany.

Navadika ho tobin’ny zan­dary ankehitriny ny zana-tobim-paritra nisy teo aloha, ho an’ny ao Talata Volonondry. Manoloana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, niara-nisalahy na­nao ezaka manokana ny kaominina ao an-toerana nanangana io fotodrafitrasa vaovao io. Mitombo isa ny mponina ao an-toerana ary mivelatra manaraka izany koa ny tanàna. Tapa-kevitra, noho izany, ny tomponandraikitra misahana ny kaominina sy ny mpiara-miasa aminy fa vaindohan-draharaha ny fanamafisana ny fandriampahaleman’ny tanàna hampirindra hatrany ny fiarahamonina. Lohalarana amin’izany, ny fananganana ity tobin’ny zandary vaovao ity. Nitarika ny fitokanana io fotodrafitrasa io, ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Jly Rava­lomanana Richard, no­tro­non’ ireo olo-mana-kaja ma­ro. Nan­kasitraka manokana ny fiaraha-mientan’ny mponina eo anivon’ny kaominina ny tenany, noho ny fahatontosan’izao fotodrafitrasa izao. Ankoatra io, nidina ifotony ta­ny amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, Jly Rakotondrazaka Andry. Ni­fam­piresaka mivantana tamin’ny solontenan’ny OMC ao amin’ny faritra Alao­tra Man­goro izy. Nodinihina, nandritra izany, ny rindran-damina ma­nokana sy ny paikady entina hiarovana ny vahoaka ifotony.

Tsiferana R.

Partager sur: