TARATRY ny KANTO

Nampivondronana ireo mpandihy rehetra ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Nanodidina ny 250 isa ny mpandihy nanafana izany. Nahazo vahana kokoa ny dihy malagasy, hampiroboroboina ny kolontsaina sy ny soatoavina. Nosokafana tamin’ny seho nanomezana vahany ny dihy malagasy tao amin’ny kianjan’ny hiragasy, avy eo teo alohan’ny tranombokim-pirenena ary ny diabe…
Mankalaza ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra i Poopy. Nisy, araka izany, ny fampiaraham-peo teo aminy sy i Rija Ramanantoanina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Nanafana ny seho nandritra ny fizarana voalohany izy ireo. Raha toa ka niara-nihira kosa namaly ny hetahetan’ny mpankafy i Bodo sy i Poopy nandritra ny fizarana faharoa. Nampitondraina ny lohateny hoe “Izaho sy i Rija”, ny seho.
Mbola mila fitaizana ny Malagasy! Zava-dehibe ny saripika noho izy ireny mitahiry ny zava-misy marina tao anatin’ny vanim-potoana iray. Tsy mbola rototra amin’ izany anefa ny Malagasy hany ka zary fialamboly ho azy ny mijery saripika. Toa tsy zava-dehibe ho azy ny tantara. Ilay mandona ny fony na ireo sary mitondra tsiahy (ratsy na tsara) ho azy ihany no ambarany fa zava-dehibe. Ny raharaham-pirenena, tantara, sns, nanjary zava-maivana.
Echecs sy ny lalaon-tsaina. Tontosa afakomaly sy omaly, tetsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely, ny fifaninana “Chess tournament”. Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny faha-45 taona ny Club d’Echecs. Nahitana mpandray anjara teo anelanelan’ny valo hatramin’ny 65 taona mahery izany. Teo ambany
fiahian’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanantanjahantena ny hetsika.

Partager sur: